Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 2

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy lasa naka vady tamin’ ny zanakavavin’ i Levy.Select Exodus 2:1

2Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.Select Exodus 2:2

3Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ i Neily ny fiara.Select Exodus 2:3

4Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.Select Exodus 2:4

5Ary nidina ny zanakavavin’ i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’ i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’ i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.Select Exodus 2:5

6Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ ny zanaky ny Hebreo ity.Select Exodus 2:6

7Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ ny zanakavavin’ i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?Select Exodus 2:7

8Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ ny zaza.Select Exodus 2:8

9Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.Select Exodus 2:9

10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.Select Exodus 2:10

11Ary tamin’ izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ ny Hebreo rahalahiny.Select Exodus 2:11

12Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin’ ny fasika ny faty.Select Exodus 2:12

13Ary nony ampitson’ iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?Select Exodus 2:13

14Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’ olona izany!Select Exodus 2:14

15Ary rehefa ren’ i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’ i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’ i Farao ka nonina tany amin’ ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ ny lavaka fantsakana izy.Select Exodus 2:15

16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’ osin-drainy.Select Exodus 2:16

17Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman’ osiny.Select Exodus 2:17

18Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?Select Exodus 2:18

19Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman’ osy.Select Exodus 2:19

20Ary hoy izy tamin’ ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.Select Exodus 2:20

21Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.Select Exodus 2:21

22Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho.Select Exodus 2:22

23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.Select Exodus 2:23

24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.Select Exodus 2:24

25Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’ Isiraely ka nahafantatra azy.Select Exodus 2:25

Next: Exodus 3Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.