Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 20

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:Select Exodus 20:1

2Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.Select Exodus 20:2

3Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.Select Exodus 20:3

4Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.Select Exodus 20:4

5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;Select Exodus 20:5

6nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.Select Exodus 20:6

7Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.Select Exodus 20:7

8Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.Select Exodus 20:8

9Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.Select Exodus 20:9

10Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.Select Exodus 20:10

11Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.Select Exodus 20:11

12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.Select Exodus 20:12

13Aza mamono olona.Select Exodus 20:13

14Aza mijangajanga.Select Exodus 20:14

15Aza mangalatra.Select Exodus 20:15

16Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.Select Exodus 20:16

17Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.Select Exodus 20:17

18Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.Select Exodus 20:18

19Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.Select Exodus 20:19

20Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.Select Exodus 20:20

21Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’ Andriamanitra.Select Exodus 20:21

22Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.Select Exodus 20:22

23Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.Select Exodus 20:23

24Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.Select Exodus 20:24

25Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.Select Exodus 20:25

26Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.Select Exodus 20:26

Next: Exodus 21Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.