Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 23

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.Select Exodus 23:1

2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.Select Exodus 23:2

3Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao.Select Exodus 23:3

4Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.Select Exodus 23:4

5Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.Select Exodus 23:5

6Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.Select Exodus 23:6

7Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.Select Exodus 23:7

8Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.Select Exodus 23:8

9Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.Select Exodus 23:9

10Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;Select Exodus 23:10

11fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.Select Exodus 23:11

12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.Select Exodus 23:12

13Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany.Select Exodus 23:13

14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.Select Exodus 23:14

15Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.Select Exodus 23:15

16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.Select Exodus 23:16

17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.Select Exodus 23:17

18Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.Select Exodus 23:18

19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.Select Exodus 23:19

20Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.Select Exodus 23:20

21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.Select Exodus 23:21

22Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.Select Exodus 23:22

23Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,Select Exodus 23:23

24Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.Select Exodus 23:24

25Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.Select Exodus 23:25

26Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao.Select Exodus 23:26

27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.Select Exodus 23:27

28Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.Select Exodus 23:28

29Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.Select Exodus 23:29

30Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.Select Exodus 23:30

31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.Select Exodus 23:31

32Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.Select Exodus 23:32

33Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,Select Exodus 23:33

Next: Exodus 24Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.