Exodus 31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 31:1
2Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;Select Exodus 31:2
3ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:Select Exodus 31:3
4dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahinaSelect Exodus 31:4
5sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.Select Exodus 31:5
6Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:Select Exodus 31:6
7dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.Select Exodus 31:7
8sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitraSelect Exodus 31:8
9sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.Select Exodus 31:9
10ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,Select Exodus 31:10
11ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.Select Exodus 31:11
12Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 31:12
13Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.Select Exodus 31:13
14Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Exodus 31:14
15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.Select Exodus 31:15
16Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.Select Exodus 31:16
17Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.Select Exodus 31:17
18Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.Select Exodus 31:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation