Exodus 33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.Select Exodus 33:1
2Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),Select Exodus 33:2
3dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.Select Exodus 33:3
4Ary rehefa ren’ ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.Select Exodus 33:4
5Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.Select Exodus 33:5
6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.Select Exodus 33:6
7Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.Select Exodus 33:7
8Ary raha nivoaka ho eo amin’ ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy, dia nitazana an’ i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ ny lay.Select Exodus 33:8
9Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.Select Exodus 33:9
10Ary hitan’ ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy.Select Exodus 33:10
11Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’ i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin’ ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak’ i Nona, tsy niala tamin’ ny lay.Select Exodus 33:11
12Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.Select Exodus 33:12
13Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.Select Exodus 33:13
14Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.Select Exodus 33:14
15Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.Select Exodus 33:15
16Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.Select Exodus 33:16
17Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.Select Exodus 33:17
18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.Select Exodus 33:18
19Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.Select Exodus 33:19
20Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.Select Exodus 33:20
21Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ ny harambato ianao;Select Exodus 33:21
22koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.Select Exodus 33:22
23Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.Select Exodus 33:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation