Exodus 34
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;Select Exodus 34:1
2ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin’ ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon’ ny tendrombohitra.Select Exodus 34:2
3Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’ osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’ izany tendrombohitra izanySelect Exodus 34:3
4Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.Select Exodus 34:4
5Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.Select Exodus 34:5
6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,Select Exodus 34:6
7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.Select Exodus 34:7
8Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;Select Exodus 34:8
9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.Select Exodus 34:9
10Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ ny tany rehetra sy tany amin’ ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’ i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ ny fiombako anao.Select Exodus 34:10
11Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.Select Exodus 34:11
12Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.Select Exodus 34:12
13Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.Select Exodus 34:13
14Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,Select Exodus 34:14
15fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;Select Exodus 34:15
16ary andrao koa haka amin’ ny zananivavy ho vadin’ ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.Select Exodus 34:16
17Aza manao andriamanitra an-idina ho anao.Select Exodus 34:17
18Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.Select Exodus 34:18
19Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’ osy;Select Exodus 34:19
20fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.Select Exodus 34:20
21Henemana no hiasanao, fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin’ ny taom-pamafazana sy amin’ ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.Select Exodus 34:21
22Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin’ ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.Select Exodus 34:22
23Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.Select Exodus 34:23
24Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.Select Exodus 34:24
25Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.Select Exodus 34:25
26Ny santatra amin’ ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.Select Exodus 34:26
27Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.Select Exodus 34:27
28Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.Select Exodus 34:28
29Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’ izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.Select Exodus 34:29
30Ary nony hitan’ i Arona sy ny Zanak’ Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.Select Exodus 34:30
31Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan’ ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.Select Exodus 34:31
32Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’ Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah taminy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay.Select Exodus 34:32
33Ary rehefa vita ny teny nataon’ i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.Select Exodus 34:33
34Ary raha niditra teo anatrehan’ i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely izay efa nandidiana azy.Select Exodus 34:34
35Ary hitan’ ny Zanak’ Isiraely ny tavan’ i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’ i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.Select Exodus 34:35
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation