Exodus 36
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.Select Exodus 36:1
2Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.Select Exodus 36:2
3Ary izy ireo dia nandray tamin’ i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely hanaovana ny asa amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’ i Mosesy.Select Exodus 36:3
4Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ ny fitoerana masìna, samy niala tamin’ ny asany izay nataony avy,Select Exodus 36:4
5ka niteny tamin’ i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ ny asa nandidian’ i Jehovah hatao.Select Exodus 36:5
6Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ ny fitoerana masìna ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;Select Exodus 36:6
7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.Select Exodus 36:7
8Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.Select Exodus 36:8
9Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.Select Exodus 36:9
10Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.Select Exodus 36:10
11Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.Select Exodus 36:11
12Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.Select Exodus 36:12
13Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.Select Exodus 36:13
14Ary nanao ambainy koa tamin’ ny volon’ osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no nanaovany azy.Select Exodus 36:14
15Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.Select Exodus 36:15
16Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.Select Exodus 36:16
17Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.Select Exodus 36:17
18Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.Select Exodus 36:18
19Ary nanao rakotry ny lay tamin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.Select Exodus 36:19
20Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.Select Exodus 36:20
21Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.Select Exodus 36:21
22Ary lahiny roa no amin’ ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ ny tabernakely.Select Exodus 36:22
23Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.Select Exodus 36:23
24Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo hiorenan’ ny lahiny roa.Select Exodus 36:24
25Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.Select Exodus 36:25
26Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo.Select Exodus 36:26
27Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ ny lafin’ ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.Select Exodus 36:27
28Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely tamin’ ny lafiny ivoho izy.Select Exodus 36:28
29Ary nakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ ny zorony roa.Select Exodus 36:29
30Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.Select Exodus 36:30
31Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,Select Exodus 36:31
32sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.Select Exodus 36:32
33Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.Select Exodus 36:33
34Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.Select Exodus 36:34
35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.Select Exodus 36:35
36Ary nanao andry efatra tamin’ ny hazo akasia izy hihantonan’ izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’ hiorenany.Select Exodus 36:36
37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.Select Exodus 36:37
38Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.Select Exodus 36:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation