Exodus 5
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.Select Exodus 5:1
2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.Select Exodus 5:2
3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra.Select Exodus 5:3
4Ary hoy ny mpanjakan’ i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ ny asany? mandehana any amin’ ny fanompoanareo mafy.Select Exodus 5:4
5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ ny fanompoany mafy.Select Exodus 5:5
6Ary tamin’ izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka nanao hoe:Select Exodus 5:6
7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.Select Exodus 5:7
8Kanefa ny isan’ ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitray.Select Exodus 5:8
9Hamafio ny fanompoan’ ny olona mba hifotorany amin’ izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.Select Exodus 5:9
10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ ny mpifehy azy ka niteny tamin’ ny olona nanao hoe: Izao no lazain’ i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;Select Exodus 5:10
11fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’ izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.Select Exodus 5:11
12Dia niely eran’ ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ ny mololo.Select Exodus 5:12
13Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’ andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.Select Exodus 5:13
14Ary ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely, izay notendren’ ny mpampiasa avy amin’ i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha?Select Exodus 5:14
15Dia nankao amin’ i Farao ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ ny mpanomponao ianao?Select Exodus 5:15
16Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.Select Exodus 5:16
17Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.Select Exodus 5:17
18Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.Select Exodus 5:18
19Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.Select Exodus 5:19
20Ary izy ireo dia nihaona tamin’ i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’ i Farao izy;Select Exodus 5:20
21dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.Select Exodus 5:21
22Ary Mosesy niverina ho any amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?Select Exodus 5:22
23Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.Select Exodus 5:23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation