Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.Select Exodus 8:1

2Ary nahinjitr’ i Arona tambonin’ ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.Select Exodus 8:2

3Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.Select Exodus 8:3

4Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.Select Exodus 8:4

5Ary hoy Mosesy tamin’ i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?Select Exodus 8:5

6Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray.Select Exodus 8:6

7Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.Select Exodus 8:7

8Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao.Select Exodus 8:8

9Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha.Select Exodus 8:9

10Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.Select Exodus 8:10

11Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.Select Exodus 8:11

12Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran’ ny tany Egypta rehetra izany.Select Exodus 8:12

13Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’ i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ ny tany Egypta rehetra.Select Exodus 8:13

14Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy.Select Exodus 8:14

15Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.Select Exodus 8:15

16Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.Select Exodus 8:16

17Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.Select Exodus 8:17

18Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany.Select Exodus 8:18

19Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.Select Exodus 8:19

20Ary nataon’ i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ ny tranon’ i Farao sy tao amin’ ny tranon’ ny mpanompony ary teny amin’ ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.Select Exodus 8:20

21Ary Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitrareo eto amin’ ity tany ity.Select Exodus 8:21

22Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?Select Exodus 8:22

23Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.Select Exodus 8:23

24Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.Select Exodus 8:24

25Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin’ i Jehovah mba hialan’ ny lalitra amin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i’ Jehovah.Select Exodus 8:25

26Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nangataka tamin’ i JehovahSelect Exodus 8:26

27Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.Select Exodus 8:27

28Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin’ izany ka tsy nandefa ny olona.Select Exodus 8:28

Next: Exodus 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.