Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 9

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.Select Exodus 9:1

2Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,Select Exodus 9:2

3dia, indro, ny tànan’ i Jehovah ho amin’ ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin’ ny soavaly sy amin’ ny boriky sy amin’ ny rameva sy amin’ ny omby ary amin’ ny ondry aman’ osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.Select Exodus 9:3

4Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ ny Isiraely amin’ ny bibin’ ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray aza.Select Exodus 9:4

5Dia nanendry fotoan’ andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan’ i Jehovah izany zavatra izany eto amin’ ny tany.Select Exodus 9:5

6Ary nony ampitso dia nataon’ i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.Select Exodus 9:6

7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.Select Exodus 9:7

8Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin’ ny tananao ao amin’ ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin’ i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’ i Farao izany.Select Exodus 9:8

9Dia hitora-jofo eran’ ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy eran’ ny tany Egypta rehetra.Select Exodus 9:9

10Dia naka lavenona tamin’ ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Farao; dia natopin’ i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ ny olona sy tamin’ ny biby fiompy.Select Exodus 9:10

11Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’ i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ ny Egyptiana rehetra.Select Exodus 9:11

12Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy.Select Exodus 9:12

13Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo AhySelect Exodus 9:13

14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.Select Exodus 9:14

15Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ ny tany ianao.Select Exodus 9:15

16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.Select Exodus 9:16

17Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?Select Exodus 9:17

18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.Select Exodus 9:18

19Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ ny havandra ka ho faty avokoa.Select Exodus 9:19

20Ary izay natahotra ny tenin’ i Jehovah teo amin’ ny mpanompon’ i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;Select Exodus 9:20

21fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’ i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.Select Exodus 9:21

22Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ ny tany Egypta rehetra, dia amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy ary amin’ ny anana rehetra any an-tsaha eran’ ny tany Egypta.Select Exodus 9:22

23Dia nahinjitr’ i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta.Select Exodus 9:23

24Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.Select Exodus 9:24

25Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.Select Exodus 9:25

26Fa tao amin’ ny tany Gosena izay nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.Select Exodus 9:26

27Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.Select Exodus 9:27

28Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.Select Exodus 9:28

29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.Select Exodus 9:29

30Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitra ihany.Select Exodus 9:30

31Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.Select Exodus 9:31

32Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.Select Exodus 9:32

33Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.Select Exodus 9:33

34Ary nony hitan’ i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.Select Exodus 9:34

35Dia nihamafy ny fon’ i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak’ Isiraely izy, araka izay efa nampilazain’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 9:35

Next: Exodus 10Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.