Skip to content
Church.wiki
Habakkuk

Habakkuk 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny fivavak’ i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.Select Habakkuk 3:1

2Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.Select Habakkuk 3:2

3Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.Select Habakkuk 3:3

4Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.Select Habakkuk 3:4

5Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.Select Habakkuk 3:5

6Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.Select Habakkuk 3:6

7Mahita ny lain’ i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain’ ny tany Midiana.Select Habakkuk 3:7

8Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?Select Habakkuk 3:8

9Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. [Sela.] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.Select Habakkuk 3:9

10Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo.Select Habakkuk 3:10

11Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, Noho ny fahazavan’ ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.Select Habakkuk 3:11

12Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.Select Habakkuk 3:12

13Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [Sela.]Select Habakkuk 3:13

14Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.Select Habakkuk 3:14

15Mitety ny ranomasina amin’ ny soavalinao Hianao, Dia eny amin’ ny rano be miavovona.Select Habakkuk 3:15

16Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao.Select Habakkuk 3:16

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,Select Habakkuk 3:17

18Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.Select Habakkuk 3:18

19Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.Select Habakkuk 3:19

Next: Zephaniah 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Habakkuk

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.