Hosea 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.Select Hosea 1:1
2Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.Select Hosea 1:2
3Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.Select Hosea 1:3
4Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.Select Hosea 1:4
5Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.Select Hosea 1:5
6Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.Select Hosea 1:6
7Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.Select Hosea 1:7
8Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.Select Hosea 1:8
9Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.Select Hosea 1:9
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain