Skip to content
Church.wiki
Hosea

Hosea 4

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo Zanak’ Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ ny mponina amin’ ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany,Select Hosea 4:1

2Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.Select Hosea 4:2

3Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.Select Hosea 4:3

4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.Select Hosea 4:4

5Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ ny alina, ary hovonoiko ny reninao.Select Hosea 4:5

6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.Select Hosea 4:6

7Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.Select Hosea 4:7

8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.Select Hosea 4:8

9Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.Select Hosea 4:9

10Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.Select Hosea 4:10

11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.Select Hosea 4:11

12Ny oloko dia mila saina amin’ ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’ Andriamaniny.Select Hosea 4:12

13Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.Select Hosea 4:13

14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.Select Hosea 4:14

15Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!Select Hosea 4:15

16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.Select Hosea 4:16

17Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.Select Hosea 4:17

18Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.Select Hosea 4:18

19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.Select Hosea 4:19

Next: Hosea 5Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Hosea

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.