Skip to content
Church.wiki
Hosea

Hosea 6

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.Select Hosea 6:1

2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isikaSelect Hosea 6:2

3Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.Select Hosea 6:3

4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.Select Hosea 6:4

5Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.Select Hosea 6:5

6Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.Select Hosea 6:6

7Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.Select Hosea 6:7

8Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.Select Hosea 6:8

9Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.Select Hosea 6:9

10Tao amin’ ny taranak’ Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan’ i Efraima, voaloto Isiraely.Select Hosea 6:10

11Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin’ ny fahababoana ny oloko.Select Hosea 6:11

Next: Hosea 7Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Hosea

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.