Skip to content
Church.wiki
Hebrews

Hebrews 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;Select Hebrews 1:1

2dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,Select Hebrews 1:2

3Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avoSelect Hebrews 1:3

4ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.Select Hebrews 1:4

5Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”?. Ary koa: “Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako”?Select Hebrews 1:5

6Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: “Ary aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany”.Select Hebrews 1:6

7Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”.Select Hebrews 1:7

8Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;Select Hebrews 1:8

9Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao”.Select Hebrews 1:9

10Ary izao koa: “Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ ny tananao ny lanitra;Select Hebrews 1:10

11Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,Select Hebrews 1:11

12Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra”.Select Hebrews 1:12

13Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”?Select Hebrews 1:13

14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?Select Hebrews 1:14

Next: Hebrews 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Hebrews

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.