Hebrews 13
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.Select Hebrews 13:1
2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.Select Hebrews 13:2
3Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo.Select Hebrews 13:3
4Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra.Select Hebrews 13:4
5Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.Select Hebrews 13:5
6Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”.Select Hebrews 13:6
7Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany.Select Hebrews 13:7
8Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.Select Hebrews 13:8
9Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.Select Hebrews 13:9
10Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.Select Hebrews 13:10
11Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny.Select Hebrews 13:11
12Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny.Select Hebrews 13:12
13Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.Select Hebrews 13:13
14Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.Select Hebrews 13:14
15Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.Select Hebrews 13:15
16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.Select Hebrews 13:16
17Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.Select Hebrews 13:17
18Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra.Select Hebrews 13:18
19Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.Select Hebrews 13:19
20Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay,Select Hebrews 13:20
21Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Select Hebrews 13:21
22Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.Select Hebrews 13:22
23Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.Select Hebrews 13:23
24Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo.Select Hebrews 13:24
25Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.Select Hebrews 13:25
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation