Hebrews 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa amin’ izany, ry rahalahy masìna, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,Select Hebrews 3:1
2Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’ i Mosesy koa tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra.Select Hebrews 3:2
3Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.Select Hebrews 3:3
4Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.Select Hebrews 3:4
5Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;Select Hebrews 3:5
6fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’ Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.Select Hebrews 3:6
7Koa araka izay lazain’ ny Fanahy Masìna hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,Select Hebrews 3:7
8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra,Select Hebrews 3:8
9Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy tamin’ ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.Select Hebrews 3:9
10Koa tezitra tamin’ izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;Select Hebrews 3:10
11Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".Select Hebrews 3:11
12Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona;Select Hebrews 3:12
13fa mifananara isan’ andro, raha mbola atao hoe “Anio”; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ ny ota.Select Hebrews 3:13
14Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany;Select Hebrews 3:14
15raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”.Select Hebrews 3:15
16Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’ i Mosesy niala tany Egypta va?Select Hebrews 3:16
17Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?Select Hebrews 3:17
18Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?Select Hebrews 3:18
19Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.Select Hebrews 3:19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation