Hebrews 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,Select Hebrews 6:1
2ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.Select Hebrews 6:2
3Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.Select Hebrews 6:3
4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy MasìnaSelect Hebrews 6:4
5ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy,Select Hebrews 6:5
6nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.Select Hebrews 6:6
7Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;Select Hebrews 6:7
8fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.Select Hebrews 6:8
9Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.Select Hebrews 6:9
10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.Select Hebrews 6:10
11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;Select Hebrews 6:11
12mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.Select Hebrews 6:12
13Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany IzySelect Hebrews 6:13
14ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”.Select Hebrews 6:14
15Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.Select Hebrews 6:15
16Fa ny olona dia mianiana amin’ izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.Select Hebrews 6:16
17Ary amin’ izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ ny fianianana izany,Select Hebrews 6:17
18mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’ Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,Select Hebrews 6:18
19izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba;Select Hebrews 6:19
20tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy.Select Hebrews 6:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation