Skip to content
Church.wiki
Hebrews

Hebrews 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’ i Salema sy mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’ i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,Select Hebrews 7:1

2sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana;Select Hebrews 7:2

3tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’ andro na faran’ ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’ Andriamanitra),― izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.Select Hebrews 7:3

4Ary hevero ny halehiben’ io lehilahy io ―, izay nomen’ i Abrahama patriarka ny ampahafolon’ izay tsara tamin’ ny zavatra nobaboina.Select Hebrews 7:4

5Ary izay avy tamin’ ny taranak’ i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza ireny;Select Hebrews 7:5

6nefa izay tsy isan’ ny firazanan’ ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin’ i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.Select Hebrews 7:6

7Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ ny lehibe noho ny tenany.Select Hebrews 7:7

8Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.Select Hebrews 7:8

9Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin’ i Abrahama,Select Hebrews 7:9

10satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin’ ny nitsenan’ i Melkizedeka an’ i Abrahama.Select Hebrews 7:10

11Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?Select Hebrews 7:11

12Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.Select Hebrews 7:12

13Fa Izay nolazaina amin’ izany teny izany dia avy tamin’ ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ ny alitara.Select Hebrews 7:13

14Fa hita marimarina fa avy tamin’ ny Joda no nisehoan’ ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’ i Mosesy akory ny amin’ izay ho mpisorona.Select Hebrews 7:14

15Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an’ i Melkizedeka,Select Hebrews 7:15

16izay natao tsy araka ny lalàn’ izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin’ ny fiainana tsy manam-pahataperana.Select Hebrews 7:16

17Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”.Select Hebrews 7:17

18Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavanySelect Hebrews 7:18

19(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.Select Hebrews 7:19

20Ary tahaka an’ i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ ny fianiananaSelect Hebrews 7:20

21― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay”Select Hebrews 7:21

22― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.Select Hebrews 7:22

23Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ ny fahafatesana haharitra izy;Select Hebrews 7:23

24fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;Select Hebrews 7:24

25koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.Select Hebrews 7:25

26Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,Select Hebrews 7:26

27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.Select Hebrews 7:27

28Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.Select Hebrews 7:28

Next: Hebrews 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Hebrews

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.