Skip to content
Church.wiki
Hebrews

Hebrews 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,Select Hebrews 8:1

2Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.Select Hebrews 8:2

3Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.Select Hebrews 8:3

4Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,Select Hebrews 8:4

5dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”.Select Hebrews 8:5

6Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.Select Hebrews 8:6

7Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.Select Hebrews 8:7

8Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda,Select Hebrews 8:8

9Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.Select Hebrews 8:9

10Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;Select Hebrews 8:10

11Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;Select Hebrews 8:11

12Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".Select Hebrews 8:12

13Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.Select Hebrews 8:13

Next: Hebrews 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Hebrews

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.