Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 10

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.Select 1 Chronicles 10:1

2Ary ny Filistina nanenjika fatratra an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin’ i Saoly.Select 1 Chronicles 10:2

3Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.Select 1 Chronicles 10:3

4Ka hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.Select 1 Chronicles 10:4

5Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka maty.Select 1 Chronicles 10:5

6Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.Select 1 Chronicles 10:6

7Ary nony hitan’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely teny amin’ ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin’ ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.Select 1 Chronicles 10:7

8Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny faty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.Select 1 Chronicles 10:8

9Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin’ ny sampiny sy ny olona.Select 1 Chronicles 10:9

10Dia napetrany tao an-tranon’ ny andriamaniny ny fiadian’ i Saoly, ary nohomboany teo amin’ ny tempolin’ i Dagona ny lohany.Select 1 Chronicles 10:10

11Ary nony ren’ ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,Select 1 Chronicles 10:11

12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.Select 1 Chronicles 10:12

13Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatraSelect 1 Chronicles 10:13

14ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.Select 1 Chronicles 10:14

Next: 1 Chronicles 11Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.