1 Chronicles 12
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary izao no nankany amin’ i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’ i Saoly, zanak’ i Kisy; ary isan’ ny lehilahy mahery mpanampy amin’ ny ady ireoSelect 1 Chronicles 12:1
2sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.Select 1 Chronicles 12:2
3Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak’ i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak’ i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho AnatotitaSelect 1 Chronicles 12:3
4ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan’ ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa GaderatitaSelect 1 Chronicles 12:4
5sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia HarofitaSelect 1 Chronicles 12:5
6sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama KoraïtaSelect 1 Chronicles 12:6
7ary Joela sy Zebadia, zanak’ i Jerohama avy any Gedora.Select 1 Chronicles 12:7
8Ary tamin’ ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an’ i Davida ho amin’ ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.Select 1 Chronicles 12:8
9Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,Select 1 Chronicles 12:9
10Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,Select 1 Chronicles 12:10
11Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,Select 1 Chronicles 12:11
12Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,Select 1 Chronicles 12:12
13Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin’ ny folo.Select 1 Chronicles 12:13
14Ireo no isan’ ny taranak’ i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.Select 1 Chronicles 12:14
15Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.Select 1 Chronicles 12:15
16Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.Select 1 Chronicles 12:16
17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.Select 1 Chronicles 12:17
18Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.Select 1 Chronicles 12:18
19Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.Select 1 Chronicles 12:19
20Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ ny Manase.Select 1 Chronicles 12:20
21Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.Select 1 Chronicles 12:21
22Fa tamin’ izany nisy nankany amin’ i Davida isan’ andro isan’ andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’ Andriamanitra.Select 1 Chronicles 12:22
23Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:Select 1 Chronicles 12:23
24Tamin’ ny taranak’ i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.Select 1 Chronicles 12:24
25Tamin’ ny taranak’ i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny ady.Select 1 Chronicles 12:25
26Tamin’ ny taranak’ i Levy, enin-jato amby efatra arivo.Select 1 Chronicles 12:26
27Ary Joiada dia lehiben’ ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;Select 1 Chronicles 12:27
28ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.Select 1 Chronicles 12:28
29Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina, havan’ i Saoly, telo arivo; fa hatramin’ izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’ i Saoly ihany.Select 1 Chronicles 12:29
30Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.Select 1 Chronicles 12:30
31Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.Select 1 Chronicles 12:31
32Ary tamin’ ny taranak’ Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon’ ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.Select 1 Chronicles 12:32
33Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.Select 1 Chronicles 12:33
34Ary tamin’ ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin’ ampinga lehibe sy lefona.Select 1 Chronicles 12:34
35Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.Select 1 Chronicles 12:35
36Ary tamin’ ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.Select 1 Chronicles 12:36
37Ary avy tany an-dafin’ i Jordana, tamin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.Select 1 Chronicles 12:37
38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.Select 1 Chronicles 12:38
39Ary tao amin’ i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.Select 1 Chronicles 12:39
40Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.Select 1 Chronicles 12:40
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain