Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 14

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.Select 1 Chronicles 14:1

2Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.Select 1 Chronicles 14:2

3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.Select 1 Chronicles 14:3

4Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy SolomonaSelect 1 Chronicles 14:4

5sy Jibara sy Elisoa sy ElipeletaSelect 1 Chronicles 14:5

6sy Noga sy Nafega sy JafiaSelect 1 Chronicles 14:6

7sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.Select 1 Chronicles 14:7

8Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.Select 1 Chronicles 14:8

9Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.Select 1 Chronicles 14:9

10Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.Select 1 Chronicles 14:10

11Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.Select 1 Chronicles 14:11

12Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.Select 1 Chronicles 14:12

13Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.Select 1 Chronicles 14:13

14Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.Select 1 Chronicles 14:14

15Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina.Select 1 Chronicles 14:15

16Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.Select 1 Chronicles 14:16

17Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.Select 1 Chronicles 14:17

Next: 1 Chronicles 15Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.