1 Chronicles 15
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.Select 1 Chronicles 15:1
2Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.Select 1 Chronicles 15:2
3Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.Select 1 Chronicles 15:3
4Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:Select 1 Chronicles 15:4
5tamin’ ny taranak’ i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;Select 1 Chronicles 15:5
6tamin’ ny taranak’ i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;Select 1 Chronicles 15:6
7tamin’ ny taranak’ i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;Select 1 Chronicles 15:7
8tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;Select 1 Chronicles 15:8
9tamin’ ny taranak’ i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,Select 1 Chronicles 15:9
10tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.Select 1 Chronicles 15:10
11Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,Select 1 Chronicles 15:11
12ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.Select 1 Chronicles 15:12
13Satria tsy ianareo no tamin’ ilay teo, dia nasian’ i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.Select 1 Chronicles 15:13
14Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.Select 1 Chronicles 15:14
15Ary ny Levita nilanja ny fiaran’ Andriamanitra tamin’ ny hazo, tahaka ny nandidian’ i Mosesy araka ny tenin’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 15:15
16Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.Select 1 Chronicles 15:16
17Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;Select 1 Chronicles 15:17
18ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.Select 1 Chronicles 15:18
19Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.Select 1 Chronicles 15:19
20Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ ny Alamota.Select 1 Chronicles 15:20
21Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ ny Seminita ho mpitarika.Select 1 Chronicles 15:21
22Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.Select 1 Chronicles 15:22
23Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.Select 1 Chronicles 15:23
24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.Select 1 Chronicles 15:24
25Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.Select 1 Chronicles 15:25
26Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.Select 1 Chronicles 15:26
27Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.Select 1 Chronicles 15:27
28Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.Select 1 Chronicles 15:28
29Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.Select 1 Chronicles 15:29
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain