1 Chronicles 23
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.Select 1 Chronicles 23:1
2Ary novoriny ny lehiben’ ny Isiraely rehetra mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita.Select 1 Chronicles 23:2
3Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.Select 1 Chronicles 23:3
4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,Select 1 Chronicles 23:4
5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.Select 1 Chronicles 23:5
6Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:Select 1 Chronicles 23:6
7Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.Select 1 Chronicles 23:7
8Ny zanakalahin’ i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.Select 1 Chronicles 23:8
9Ny zanakalahin’ i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ ny fianakavian’ i Ladana.Select 1 Chronicles 23:9
10Ary ny zanakalahin’ i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’ i Simey.Select 1 Chronicles 23:10
11Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.Select 1 Chronicles 23:11
12Ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.Select 1 Chronicles 23:12
13Ny zanakalahin’ i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masìna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ ny anarany mandrakizay.Select 1 Chronicles 23:13
14Nefa ny amin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, dia nisaina tamin’ ny firenen’ i Levy ihany ny zanany.Select 1 Chronicles 23:14
15Ny zanakalahin’ i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.Select 1 Chronicles 23:15
16Tamin’ ny zanakalahin’ i Gersona dia Seboela no lohany.Select 1 Chronicles 23:16
17Ary tamin’ ny zanakalahin’ i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’ i Rehabia dia maro indrindra.Select 1 Chronicles 23:17
18Tamin’ ny zanakalahin’ i Jizara dia Selomota no lohany.Select 1 Chronicles 23:18
19Ny zanakalahin’ i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.Select 1 Chronicles 23:19
20Ny zanakalahin’ i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.Select 1 Chronicles 23:20
21Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’ i Maly dia Eleazara sy Kisy.Select 1 Chronicles 23:21
22Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’ i Kisy havany no nanambady ireo.Select 1 Chronicles 23:22
23Ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.Select 1 Chronicles 23:23
24Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.Select 1 Chronicles 23:24
25Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.Select 1 Chronicles 23:25
26Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.Select 1 Chronicles 23:26
27Fa araka ny fara-tenin’ i Davida dia nisaina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.Select 1 Chronicles 23:27
28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,Select 1 Chronicles 23:28
29ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,Select 1 Chronicles 23:29
30ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,Select 1 Chronicles 23:30
31ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 23:31
32Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 23:32
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain