Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 25

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:Select 1 Chronicles 25:1

2Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.Select 1 Chronicles 25:2

3Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 25:3

4Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.Select 1 Chronicles 25:4

5Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.Select 1 Chronicles 25:5

6Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.Select 1 Chronicles 25:6

7Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.Select 1 Chronicles 25:7

8Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.Select 1 Chronicles 25:8

9Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:9

10ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:10

11ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:11

12ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:12

13ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:13

14ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:14

15ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:15

16ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:16

17ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:17

18ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:18

19ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:19

20ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:20

21ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:21

22ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:22

23ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:23

24ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:24

25ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:25

26ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:26

27ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:27

28ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:28

29ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:29

30ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;Select 1 Chronicles 25:30

31ny fahefatra amby roa-polo an’ i Romamti-ezera, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo.Select 1 Chronicles 25:31

Next: 1 Chronicles 26Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.