Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 9

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.Select 1 Chronicles 9:1

2Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.Select 1 Chronicles 9:2

3Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:Select 1 Chronicles 9:3

4dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.Select 1 Chronicles 9:4

5Ary tamin’ ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.Select 1 Chronicles 9:5

6Ary tamin’ ny taranak’ i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.Select 1 Chronicles 9:6

7Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina dia Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Hodavia, zanak’ i Hasenoa,Select 1 Chronicles 9:7

8sy Jibnia, zanak’ i Jerohama, sy Elaha, zanak’ i Ozy, zanak’ i Mikry, sy Mesolama, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Regoela, zanak’ i Jibnia;Select 1 Chronicles 9:8

9ary ny isan’ ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany avy.Select 1 Chronicles 9:9

10Ary tamin’ ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy JatinaSelect 1 Chronicles 9:10

11sy Azaria, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra,Select 1 Chronicles 9:11

12ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, ary Masay, zanak’ i Adiela, zanak’ i Jazera, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Mesilemita, zanak’ Imera.Select 1 Chronicles 9:12

13Ary ny rahalahin’ ireo, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra ireo.Select 1 Chronicles 9:13

14Ary tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, tamin’ ny taranak’ i Merary,Select 1 Chronicles 9:14

15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,Select 1 Chronicles 9:15

16ary Obadia, zanak’ i Semaia, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona, ary Berekia, zanak’ i Asa, zanak’ i Elkana, izay nonina tamin’ ny vohitry ny Netotatita.Select 1 Chronicles 9:16

17Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;Select 1 Chronicles 9:17

18ambaraka ankehitriny dia ao amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ ny tobin’ ny taranak’ i Levy.Select 1 Chronicles 9:18

19Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 9:19

20Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.Select 1 Chronicles 9:20

21Ary Zakaria, zanak’ i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.Select 1 Chronicles 9:21

22Ary ny isan’ ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ ny vohiny avy; ary notendren’ i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.Select 1 Chronicles 9:22

23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.Select 1 Chronicles 9:23

24Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.Select 1 Chronicles 9:24

25Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.Select 1 Chronicles 9:25

26Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.Select 1 Chronicles 9:26

27Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.Select 1 Chronicles 9:27

28Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.Select 1 Chronicles 9:28

29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.Select 1 Chronicles 9:29

30Ary ny sasany tamin’ ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.Select 1 Chronicles 9:30

31Ary Matatia, anankiray tamin’ ny Levita, lahimatoan’ i Saloma Koraïta, no tonian’ ny zavatra izay natao tamin’ ny fanendasana.Select 1 Chronicles 9:31

32Ary ny sasany tamin’ ny rahalahiny, tamin’ ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.Select 1 Chronicles 9:32

33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.Select 1 Chronicles 9:33

34Ireo dia lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.Select 1 Chronicles 9:34

35Ary tao Gibeona no nonenan’ i Jeiela, razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka;Select 1 Chronicles 9:35

36ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,Select 1 Chronicles 9:36

37dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.Select 1 Chronicles 9:37

38Ary Miklota niteraka an’ i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.Select 1 Chronicles 9:38

39Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.Select 1 Chronicles 9:39

40Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.Select 1 Chronicles 9:40

41Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.Select 1 Chronicles 9:41

42Ary Ahaza niteraka an’ i Jara; ary Jara niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;Select 1 Chronicles 9:42

43ary Moza niteraka an’ i Binea; ary Refaia no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Refaia, Azela no zanakalahin’ i Elasa.Select 1 Chronicles 9:43

44Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’ i Azela.Select 1 Chronicles 9:44

Next: 1 Chronicles 10Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.