1 Corinthians 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,Select 1 Corinthians 1:1
2mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:Select 1 Corinthians 1:2
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Select 1 Corinthians 1:3
4Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,Select 1 Corinthians 1:4
5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,Select 1 Corinthians 1:5
6araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,Select 1 Corinthians 1:6
7ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,Select 1 Corinthians 1:7
8Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.Select 1 Corinthians 1:8
9Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.Select 1 Corinthians 1:9
10Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.Select 1 Corinthians 1:10
11Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.Select 1 Corinthians 1:11
12Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.Select 1 Corinthians 1:12
13Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?Select 1 Corinthians 1:13
14Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,Select 1 Corinthians 1:14
15fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.Select 1 Corinthians 1:15
16Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.Select 1 Corinthians 1:16
17Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.Select 1 Corinthians 1:17
18Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.Select 1 Corinthians 1:18
19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.Select 1 Corinthians 1:19
20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao?Select 1 Corinthians 1:20
21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;Select 1 Corinthians 1:21
22fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,Select 1 Corinthians 1:22
23fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,Select 1 Corinthians 1:23
24fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.Select 1 Corinthians 1:24
25Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.Select 1 Corinthians 1:25
26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;Select 1 Corinthians 1:26
27fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;Select 1 Corinthians 1:27
28ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,Select 1 Corinthians 1:28
29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.Select 1 Corinthians 1:29
30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,Select 1 Corinthians 1:30
31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.Select 1 Corinthians 1:31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation