1 Kings 14
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tamin’ izany andro izany dia narary Abia, zanak’ i Jeroboama.Select 1 Kings 14:1
2Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.Select 1 Kings 14:2
3Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.Select 1 Kings 14:3
4Dia nanao araka izany ny vadin’ i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon’ i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.Select 1 Kings 14:4
5Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.Select 1 Kings 14:5
6Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.Select 1 Kings 14:6
7Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,Select 1 Kings 14:7
8ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin’ ny taranak’ i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an’ i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;Select 1 Kings 14:8
9fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:Select 1 Kings 14:9
10koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.Select 1 Kings 14:10
11Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.Select 1 Kings 14:11
12Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.Select 1 Kings 14:12
13Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.Select 1 Kings 14:13
14Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.Select 1 Kings 14:14
15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.Select 1 Kings 14:15
16Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.Select 1 Kings 14:16
17Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;Select 1 Kings 14:17
18dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia mpaminany mpanompony.Select 1 Kings 14:18
19Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.Select 1 Kings 14:19
20Ary ny andro nanjakan’ i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.Select 1 Kings 14:20
21Ary Rehoboama, zanak’ i Solomona, no nanjaka tamin’ ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.Select 1 Kings 14:21
22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.Select 1 Kings 14:22
23Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.Select 1 Kings 14:23
24Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.Select 1 Kings 14:24
25Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema;Select 1 Kings 14:25
26dia nobaboiny ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’ i SolomonaSelect 1 Kings 14:26
27Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjakaSelect 1 Kings 14:27
28Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia nentin’ ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.Select 1 Kings 14:28
29Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?Select 1 Kings 14:29
30Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.Select 1 Kings 14:30
31Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.Select 1 Kings 14:31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation