Skip to content
Church.wiki
1 Kings

1 Kings 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.Select 1 Kings 4:1

2Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;Select 1 Kings 4:2

3Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;Select 1 Kings 4:3

4ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;Select 1 Kings 4:4

5ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,Select 1 Kings 4:5

6ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.Select 1 Kings 4:6

7Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.Select 1 Kings 4:7

8Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;Select 1 Kings 4:8

9Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;Select 1 Kings 4:9

10Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;Select 1 Kings 4:10

11Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);Select 1 Kings 4:11

12Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.Select 1 Kings 4:12

13Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;Select 1 Kings 4:13

14Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;Select 1 Kings 4:14

15Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;Select 1 Kings 4:15

16Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;Select 1 Kings 4:16

17Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;Select 1 Kings 4:17

18Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;Select 1 Kings 4:18

19Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.Select 1 Kings 4:19

20Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.Select 1 Kings 4:20

Next: 1 Kings 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Kings

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.