Skip to content
Church.wiki
1 Samuel

1 Samuel 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianao.Select 1 Samuel 15:1

2Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hovaliako izay nataon’ ny Amalekita tamin’ ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.Select 1 Samuel 15:2

3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.Select 1 Samuel 15:3

4Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin’ ny Joda.Select 1 Samuel 15:4

5Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.Select 1 Samuel 15:5

6Ary hoy Saoly tamin’ ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’ Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ ny Amalekita ny Kenita.Select 1 Samuel 15:6

7Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ ny lalana mankany Sora izay tandrifin’ i Egypta.Select 1 Samuel 15:7

8Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ ny lelan-tsabatra.Select 1 Samuel 15:8

9Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’ i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.Select 1 Samuel 15:9

10Ary tonga tamin’ i Samoela ny tenin’ i Jehovah hoe:Select 1 Samuel 15:10

11Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.Select 1 Samuel 15:11

12Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an’ i Saoly, dia nisy nilaza tamin’ i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.Select 1 Samuel 15:12

13Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.Select 1 Samuel 15:13

14Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’ osy ren’ ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ ny omby reko?Select 1 Samuel 15:14

15Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.Select 1 Samuel 15:15

16Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain’ i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.Select 1 Samuel 15:16

17Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ ny firenen’ Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely;Select 1 Samuel 15:17

18ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.Select 1 Samuel 15:18

19Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin’ ny babo ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah?Select 1 Samuel 15:19

20Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.Select 1 Samuel 15:20

21Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.Select 1 Samuel 15:21

22Fa hoy Samoela: Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy.Select 1 Samuel 15:22

23Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.Select 1 Samuel 15:23

24Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.Select 1 Samuel 15:24

25Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah.Select 1 Samuel 15:25

26Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.Select 1 Samuel 15:26

27Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.Select 1 Samuel 15:27

28Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.Select 1 Samuel 15:28

29Ary koa, ny Tokin’ ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.Select 1 Samuel 15:29

30Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ ny loholoko sy eo anatrehan’ ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.Select 1 Samuel 15:30

31Ary Samoela dia niverina nanaraka an’ i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah.Select 1 Samuel 15:31

32Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian’ ny fahafatesana.Select 1 Samuel 15:32

33Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.Select 1 Samuel 15:33

34Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.Select 1 Samuel 15:34

35Ary Samoela tsy namangy an’ i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an’ i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an’ i Saoly ho mpanjakan’ ny Isiraely.Select 1 Samuel 15:35

Next: 1 Samuel 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Samuel

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.