Skip to content
Church.wiki
1 Samuel

1 Samuel 28

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.Select 1 Samuel 28:1

2Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.Select 1 Samuel 28:2

3(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)Select 1 Samuel 28:3

4Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.Select 1 Samuel 28:4

5Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.Select 1 Samuel 28:5

6Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.Select 1 Samuel 28:6

7Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.Select 1 Samuel 28:7

8Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.Select 1 Samuel 28:8

9Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’ i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin’ ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?Select 1 Samuel 28:9

10Ary Saoly nianiana tamin’ i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’ izao zavatra izao.Select 1 Samuel 28:10

11Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.Select 1 Samuel 28:11

12Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin’ ny feo mafy izy ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.Select 1 Samuel 28:12

13Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin’ i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin’ ny tany no hitako.Select 1 Samuel 28:13

14Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr’ i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin’ ny tany izy ka niankohoka.Select 1 Samuel 28:14

15Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.Select 1 Samuel 28:15

16Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.Select 1 Samuel 28:16

17Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin’ ny tananao ny fanjakana ka nomeny an’ i Davida namanao.Select 1 Samuel 28:17

18Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ ny Amalekita, dia izany no nanaovan’ i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.Select 1 Samuel 28:18

19Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.Select 1 Samuel 28:19

20Dia lavo niampatra tamin’ ny tany niaraka tamin’ izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’ i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.Select 1 Samuel 28:20

21Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.Select 1 Samuel 28:21

22Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin’ ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin’ ny alehanao ianao.Select 1 Samuel 28:22

23Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.Select 1 Samuel 28:23

24Ary ravehivavy nanana zanak’ omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.Select 1 Samuel 28:24

25Ary narosony teo anoloan’ i Saoly sy teo anoloan’ ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin’ iny alina iny ihany.Select 1 Samuel 28:25

Next: 1 Samuel 29Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.