Skip to content
Church.wiki
1 Thessalonians

1 Thessalonians 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.Select 1 Thessalonians 1:1

2Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,Select 1 Thessalonians 1:2

3sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;Select 1 Thessalonians 1:3

4fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,Select 1 Thessalonians 1:4

5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.Select 1 Thessalonians 1:5

6Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masìna,Select 1 Thessalonians 1:6

7ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.Select 1 Thessalonians 1:7

8Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.Select 1 Thessalonians 1:8

9Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,Select 1 Thessalonians 1:9

10ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.Select 1 Thessalonians 1:10

Next: 1 Thessalonians 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Thessalonians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.