Skip to content
Church.wiki
1 Timothy

1 Timothy 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.Select 1 Timothy 3:1

2Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,Select 1 Timothy 3:2

3tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,Select 1 Timothy 3:3

4manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ ny fahamaotinana tsaraSelect 1 Timothy 3:4

5(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?),Select 1 Timothy 3:5

6tsy izay zazavao amin’ ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ ny fahamelohan’ ny devoly.Select 1 Timothy 3:6

7Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’ izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.Select 1 Timothy 3:7

8Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,Select 1 Timothy 3:8

9mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.Select 1 Timothy 3:9

10Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.Select 1 Timothy 3:10

11Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ ny zavatra rehetra.Select 1 Timothy 3:11

12Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.Select 1 Timothy 3:12

13Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ ny tenany sy fahasahiana be amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.Select 1 Timothy 3:13

14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;Select 1 Timothy 3:14

15fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.Select 1 Timothy 3:15

16Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.Select 1 Timothy 3:16

Next: 1 Timothy 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Timothy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.