Skip to content
Church.wiki
1 Timothy

1 Timothy 5

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,Select 1 Timothy 5:1

2ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ ny fahadiovana rehetra.Select 1 Timothy 5:2

3Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.Select 1 Timothy 5:3

4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra.Select 1 Timothy 5:4

5Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’ Andriamanitra ka maharitra amin’ ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’ alinaSelect 1 Timothy 5:5

6Fa izay vehivavy manaram-po amin’ ny fahafinaretana dia maty fahavelony.Select 1 Timothy 5:6

7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.Select 1 Timothy 5:7

8Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.Select 1 Timothy 5:8

9Aza soratana ho isan’ ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihanySelect 1 Timothy 5:9

10ary tsara laza amin’ ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masìna, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.Select 1 Timothy 5:10

11Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’ i Kristy izy, dia ta-hanam-badySelect 1 Timothy 5:11

12ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.Select 1 Timothy 5:12

13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’ olona ka manao teny tsy mety.Select 1 Timothy 5:13

14Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.Select 1 Timothy 5:14

15Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’ i Satana.Select 1 Timothy 5:15

16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.Select 1 Timothy 5:16

17Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana.Select 1 Timothy 5:17

18Fa hoy ny Soratra Masìna: “Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary ianao” Ary koa: “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany”.Select 1 Timothy 5:18

19Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.Select 1 Timothy 5:19

20Izay manota dia anaro eo anatrehan’ ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.Select 1 Timothy 5:20

21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ ny fiangarana.Select 1 Timothy 5:21

22Aza malaky mametra-tanana amin’ olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.Select 1 Timothy 5:22

23Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.Select 1 Timothy 5:23

24Ny fahotan’ ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ ny fitsarana, fa ny an’ ny sasany kosa manaraka ato aoriana.Select 1 Timothy 5:24

25Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.Select 1 Timothy 5:25

Next: 1 Timothy 6Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Timothy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.