2 Chronicles 10
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.Select 2 Chronicles 10:1
2Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.Select 2 Chronicles 10:2
3Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:Select 2 Chronicles 10:3
4Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.Select 2 Chronicles 10:4
5Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.Select 2 Chronicles 10:5
6Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?Select 2 Chronicles 10:6
7Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin’ ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.Select 2 Chronicles 10:7
8Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:Select 2 Chronicles 10:8
9Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?Select 2 Chronicles 10:9
10Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;Select 2 Chronicles 10:10
11koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.Select 2 Chronicles 10:11
12Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.Select 2 Chronicles 10:12
13Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azySelect 2 Chronicles 10:13
14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.Select 2 Chronicles 10:14
15Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.Select 2 Chronicles 10:15
16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.Select 2 Chronicles 10:16
17Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.Select 2 Chronicles 10:17
18Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’ isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.Select 2 Chronicles 10:18
19Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.Select 2 Chronicles 10:19
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain