Skip to content
Church.wiki
2 Chronicles

2 Chronicles 13

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.Select 2 Chronicles 13:1

2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin’ i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.Select 2 Chronicles 13:2

3Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.Select 2 Chronicles 13:3

4Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:Select 2 Chronicles 13:4

5Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’ i Davida mandrakizay ny fanjakan’ ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin’ ny fanekena nasiantsira.Select 2 Chronicles 13:5

6Nefa kosa Jeroboama, zanak’ i Nebata, mpanompon’ i Solomona, zanak’ i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ ny tompony.Select 2 Chronicles 13:6

7Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.Select 2 Chronicles 13:7

8Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.Select 2 Chronicles 13:8

9Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ ny firenena amin’ ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ ireo tsi-Andriamanitra.Select 2 Chronicles 13:9

10Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;Select 2 Chronicles 13:10

11ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin’ ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain’ i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.Select 2 Chronicles 13:11

12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.Select 2 Chronicles 13:12

13Fa nasain’ i Jeroboama nanompirana no fandehan’ ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.Select 2 Chronicles 13:13

14Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.Select 2 Chronicles 13:14

15Dia nihoby ny lehilahy amin’ ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an’ i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’ i Abia sy ny Joda.Select 2 Chronicles 13:15

16Ary ny Zanak’ isiraely nandositra niala teo anoloan’ ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,Select 2 Chronicles 13:16

17ka nahafatesan’ i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin’ ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.Select 2 Chronicles 13:17

18Toy izany no nampietrena ny Zanak’ isiraely fahizay; ary ny taranak’ i Joda no nahery, satria niankina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.Select 2 Chronicles 13:18

19Ary Abia nanenjika an’ i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ ny zana-bohiny.Select 2 Chronicles 13:19

20Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin’ ny andron’ i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.Select 2 Chronicles 13:20

21Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin’ ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin’ ny folo.Select 2 Chronicles 13:21

22Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ Ido mpaminany.Select 2 Chronicles 13:22

23Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ ny andron’ i Asa dia nandry folo taona ny tany.Select 2 Chronicles 13:23

Next: 2 Chronicles 14Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.