Skip to content
Church.wiki
2 Chronicles

2 Chronicles 16

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Tamin’ ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’ i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.Select 2 Chronicles 16:1

2Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:Select 2 Chronicles 16:2

3Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.Select 2 Chronicles 16:3

4Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin’ i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely; dia nandrava an’ Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin’ ny tanànan’ ny Naftaly izy.Select 2 Chronicles 16:4

5Ary nony ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.Select 2 Chronicles 16:5

6Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa, ka nentiny nanamboatra an’ i Geba sy Mizpa.Select 2 Chronicles 16:6

7Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.Select 2 Chronicles 16:7

8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.Select 2 Chronicles 16:8

9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.Select 2 Chronicles 16:9

10Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.Select 2 Chronicles 16:10

11Ary, indro, ny tantaran’ i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely.Select 2 Chronicles 16:11

12Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia narary tamin’ ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’ i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.Select 2 Chronicles 16:12

13Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; maty izy tamin’ ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.Select 2 Chronicles 16:13

14Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.Select 2 Chronicles 16:14

Next: 2 Chronicles 17Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.