Skip to content
Church.wiki
2 Chronicles

2 Chronicles 17

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Josafata, zanak’ i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin’ ny Isiraely izy.Select 2 Chronicles 17:1

2Ary namponina miaramila tamin’ ny tanàna mimanda rehetra eran’ i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ ny tany Joda sy tany amin’ izay tanànan’ ny Efraima efa azon’ i Asa rainy.Select 2 Chronicles 17:2

3Ary Jehovah nomba an’ i Josafata, satria nandeha tamin’ ny nalehan’ i Davida rainy izy, dia ilay tamin’ ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;Select 2 Chronicles 17:3

4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.Select 2 Chronicles 17:4

5Koa dia nampitoerin’ i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an’ i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.Select 2 Chronicles 17:5

6Ary ny fony nihanatoky tamin’ ny lalan’ i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin’ ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.Select 2 Chronicles 17:6

7Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ ny tanànan’ ny Joda,Select 2 Chronicles 17:7

8Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.Select 2 Chronicles 17:8

9Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, dia nitety ny tanànan’ ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ ny olona.Select 2 Chronicles 17:9

10Ary ny tahotra an’ i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany manodidina an’ i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’ i Josafata ireo.Select 2 Chronicles 17:10

11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.Select 2 Chronicles 17:11

12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.Select 2 Chronicles 17:12

13Ary nanana fananana betsaka tao amin’ ny tanànan’ ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.Select 2 Chronicles 17:13

14Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;Select 2 Chronicles 17:14

15ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;Select 2 Chronicles 17:15

16ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’ i Zikry, ilay nanolotena ho an’ i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.Select 2 Chronicles 17:16

17Ary tamin’ ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;Select 2 Chronicles 17:17

18ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.Select 2 Chronicles 17:18

19Ireo no mpitoetra tamin’ ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ ny mpanjaka tany amin’ ny tanàna mimanda eran’ i Joda rehetra.Select 2 Chronicles 17:19

Next: 2 Chronicles 18Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.