2 Chronicles 20
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin’ i Josafata ny taranak’ i Moaba sy ny taranak’ i Amona mbamin’ ny any ankoatry ny Amonita.Select 2 Chronicles 20:1
2Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).Select 2 Chronicles 20:2
3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.Select 2 Chronicles 20:3
4Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’ i Jehovah; eny, avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra hitady an’ i Jehovah izy.Select 2 Chronicles 20:4
5Ary Josafata nitsangana teo amin’ ny fiangonan’ ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, teo anoloan’ ny kianja vaovao,Select 2 Chronicles 20:5
6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.Select 2 Chronicles 20:6
7Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?Select 2 Chronicles 20:7
8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masìna teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:Select 2 Chronicles 20:8
9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.Select 2 Chronicles 20:9
10Koa indreo ny taranak’ i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seïra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;Select 2 Chronicles 20:10
11nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ ny lova nomenao anay.Select 2 Chronicles 20:11
12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.Select 2 Chronicles 20:12
13Ary ny Joda rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 20:13
14Ary Jahaziela, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Benaia, zanak’ i Jeiela, zanak’ i Matania, Levita amin’ ny taranak’ i Asafa, dia voatsindrin’ ny Fanahin’ i Jehovah teo amin’ ny fiangonanaSelect 2 Chronicles 20:14
15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.Select 2 Chronicles 20:15
16Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ ny faran’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ ny efitr’ i Jeroela.Select 2 Chronicles 20:16
17Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.Select 2 Chronicles 20:17
18Dia niankohoka tamin’ ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah koa ka nivavaka.Select 2 Chronicles 20:18
19Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny feo mahery indrindra.Select 2 Chronicles 20:19
20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.Select 2 Chronicles 20:20
21Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.Select 2 Chronicles 20:21
22Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.Select 2 Chronicles 20:22
23Dia nitsangana ny taranak’ i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.Select 2 Chronicles 20:23
24Ary nony tonga teo amin’ ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.Select 2 Chronicles 20:24
25Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.Select 2 Chronicles 20:25
26Ary tamin’ ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an’ i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.Select 2 Chronicles 20:26
27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.Select 2 Chronicles 20:27
28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 20:28
29Ary ny fahatahorana an’ Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ ny fahavalon’ ny Isiraely.Select 2 Chronicles 20:29
30Ary nandry fahizay ny fanjakan’ i Josafata; fa nomen’ Andriamaniny fiadanana tamin’ ny manodidina izy.Select 2 Chronicles 20:30
31Ary Josafata nanjaka tamin’ ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.Select 2 Chronicles 20:31
32Ary nandeha tamin’ ny lalana nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 20:32
33Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitry ny razany.Select 2 Chronicles 20:33
34Ary ny tantaran’ i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, izay nakambana ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely, izany.Select 2 Chronicles 20:34
35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;Select 2 Chronicles 20:35
36ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.Select 2 Chronicles 20:36
37Ary Eliezera, zanak’ i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin’ i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin’ i Ahazia dia horavan’ i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.Select 2 Chronicles 20:37
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain