Skip to content
Church.wiki
2 Corinthians

2 Corinthians 10

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.Select 2 Corinthians 10:1

2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.Select 2 Corinthians 10:2

3Fa na dia velona amin’ ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofoSelect 2 Corinthians 10:3

4(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);Select 2 Corinthians 10:4

5fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy,Select 2 Corinthians 10:5

6ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.Select 2 Corinthians 10:6

7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’ i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’ an’ i Kristy azy no mah’ an’ i Kristy anay koa.Select 2 Corinthians 10:7

8Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ ny fahefanay izay nomen’ i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,Select 2 Corinthians 10:8

9mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin’ ny epistily.Select 2 Corinthians 10:9

10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.Select 2 Corinthians 10:10

11Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin’ ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.Select 2 Corinthians 10:11

12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.Select 2 Corinthians 10:12

13Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin’ ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr’ Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.Select 2 Corinthians 10:13

14Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin’ ny filazantsaran’ i Kristy;Select 2 Corinthians 10:14

15tsy mirehareha tsy amin’ ohatra amin’ izay nisasaran’ ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihanySelect 2 Corinthians 10:15

16ka hitory ny filazantsara amin’ ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin’ izay efa vonona rahateo ao anatin’ ny voafaritra ho an’ ny sasany.Select 2 Corinthians 10:16

17Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehanySelect 2 Corinthians 10:17

18Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo.Select 2 Corinthians 10:18

Next: 2 Corinthians 11Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.