2 Corinthians 11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.Select 2 Corinthians 11:1
2Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.Select 2 Corinthians 11:2
3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.Select 2 Corinthians 11:3
4Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!Select 2 Corinthians 11:4
5Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.Select 2 Corinthians 11:5
6Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.Select 2 Corinthians 11:6
7Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?Select 2 Corinthians 11:7
8Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.Select 2 Corinthians 11:8
9Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.Select 2 Corinthians 11:9
10Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ ny tany Akaia.Select 2 Corinthians 11:10
11Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.Select 2 Corinthians 11:11
12Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.Select 2 Corinthians 11:12
13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.Select 2 Corinthians 11:13
14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.Select 2 Corinthians 11:14
15Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.Select 2 Corinthians 11:15
16Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.Select 2 Corinthians 11:16
17Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ ny fahadalana amin’ izao rehareha matoky izao ihany.Select 2 Corinthians 11:17
18Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.Select 2 Corinthians 11:18
19Fa sitrakareo ny handefitra amin’ ny adala, satria hendry angaha ianareo.Select 2 Corinthians 11:19
20Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.Select 2 Corinthians 11:20
21Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’ izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.Select 2 Corinthians 11:21
22Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’ i Abrahama va izy? Izaho koa.Select 2 Corinthians 11:22
23Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.Select 2 Corinthians 11:23
24Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.Select 2 Corinthians 11:24
25Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,Select 2 Corinthians 11:25
26nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,Select 2 Corinthians 11:26
27tamin’ ny fisasarana sy ny fikelezan’ aina, tamin’ ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ ny fifadian-kanina matetika, tamin’ ny hatsiaka sy ny fitanjahana.Select 2 Corinthians 11:27
28Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.Select 2 Corinthians 11:28
29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?Select 2 Corinthians 11:29
30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.Select 2 Corinthians 11:30
31Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.Select 2 Corinthians 11:31
32Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;Select 2 Corinthians 11:32
33fa avy teo amin’ ny varavarankely eo amin’ ny mànda no nampidinana ahy tamin’ ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.Select 2 Corinthians 11:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation