Skip to content
Church.wiki
2 Corinthians

2 Corinthians 13

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izao no fanintelon’ ny hankanesako atỳ aminareo. Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra.Select 2 Corinthians 13:1

2Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho ― toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa ― amin’ izay nanota teo aloha sy amin’ ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,Select 2 Corinthians 13:2

3satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.Select 2 Corinthians 13:3

4Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.Select 2 Corinthians 13:4

5Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?Select 2 Corinthians 13:5

6Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.Select 2 Corinthians 13:6

7Ary mangataka amin’ Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.Select 2 Corinthians 13:7

8Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.Select 2 Corinthians 13:8

9Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.Select 2 Corinthians 13:9

10Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.Select 2 Corinthians 13:10

11Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.Select 2 Corinthians 13:11

12Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.Select 2 Corinthians 13:12

13Ny olona masìna rehetra manao veloma anareo. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ ny Fanahy Masìna.Select 2 Corinthians 13:13

Next: Galatians 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Corinthians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.