2 Kings 13
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.Select 2 Kings 13:1
2Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin’ izany izy.Select 2 Kings 13:2
3Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.Select 2 Kings 13:3
4Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.Select 2 Kings 13:4
5Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.Select 2 Kings 13:5
6Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.Select 2 Kings 13:6
7Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.Select 2 Kings 13:7
8Ary ny tantaran’ i Joahaza sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 2 Kings 13:8
9Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.Select 2 Kings 13:9
10Tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin’ ny folo taona izy.Select 2 Kings 13:10
11Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.Select 2 Kings 13:11
12Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 2 Kings 13:12
13Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.Select 2 Kings 13:13
14Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!Select 2 Kings 13:14
15Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.Select 2 Kings 13:15
16Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin’ ny tanan’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 13:16
17Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ ny famonjen’ i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.Select 2 Kings 13:17
18Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.Select 2 Kings 13:18
19Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.Select 2 Kings 13:19
20Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.Select 2 Kings 13:20
21Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.Select 2 Kings 13:21
22Ary Hazaela, mpanjakan’ i Syria, nampahory ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ i Joahaza.Select 2 Kings 13:22
23Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.Select 2 Kings 13:23
24Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.Select 2 Kings 13:24
25Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.Select 2 Kings 13:25
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation