2 Samuel 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.Select 2 Samuel 1:1
2Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.Select 2 Samuel 1:2
3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.Select 2 Samuel 1:3
4Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.Select 2 Samuel 1:4
5Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.Select 2 Samuel 1:5
6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.Select 2 Samuel 1:6
7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.Select 2 Samuel 1:7
8Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.Select 2 Samuel 1:8
9Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.Select 2 Samuel 1:9
10Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany.Select 2 Samuel 1:10
11Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.Select 2 Samuel 1:11
12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.Select 2 Samuel 1:12
13Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.Select 2 Samuel 1:13
14Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah?Select 2 Samuel 1:14
15Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.Select 2 Samuel 1:15
16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.Select 2 Samuel 1:16
17Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izaoSelect 2 Samuel 1:17
18(ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany):Select 2 Samuel 1:18
19Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!Select 2 Samuel 1:19
20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.Select 2 Samuel 1:20
21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.Select 2 Samuel 1:21
22Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.Select 2 Samuel 1:22
23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.Select 2 Samuel 1:23
24Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.Select 2 Samuel 1:24
25Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana.Select 2 Samuel 1:25
26Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy.Select 2 Samuel 1:26
27Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!Select 2 Samuel 1:27
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain