Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 10

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.Select 2 Samuel 10:1

2Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ ny tanin’ ny taranak’ i Amona ny mpanompon’ i Davida.Select 2 Samuel 10:2

3Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’ i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?Select 2 Samuel 10:3

4Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.Select 2 Samuel 10:4

5Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin’ i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin’ ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.Select 2 Samuel 10:5

6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.Select 2 Samuel 10:6

7Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.Select 2 Samuel 10:7

8Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.Select 2 Samuel 10:8

9Ary rehefa hitan’ i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.Select 2 Samuel 10:9

10Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny halahany hiady amin’ ny taranak’ i Amona.Select 2 Samuel 10:10

11Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao.Select 2 Samuel 10:11

12Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.Select 2 Samuel 10:12

13Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin’ ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.Select 2 Samuel 10:13

14Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan’ i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak’ i Amona ka tonga tany Jerosalema.Select 2 Samuel 10:14

15Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nivory izy.Select 2 Samuel 10:15

16Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadadezera, no nitarika azy.Select 2 Samuel 10:16

17Ary nony nambara tamin’ i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin’ i Davida, ka dia rafitra ny ady.Select 2 Samuel 10:17

18Ary vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin’ ny Syriana Davida sady namely an’ i Sobaka koa, ilay komandin’ ny miaramila, ka nahafaty azy teo.Select 2 Samuel 10:18

19Ary nony hitan’ ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’ i Hadadezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak’ i Amona intsony.Select 2 Samuel 10:19

Next: 2 Samuel 11Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.