Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.Select 2 Samuel 16:1

2Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ ny zatovo; ary ny divay hosotroin’ izay reraka any an-efitra.Select 2 Samuel 16:2

3Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ ny taranak’ Isiraely ny fanjakan’ ikaky ho ahy.Select 2 Samuel 16:3

4Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’ i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.Select 2 Samuel 16:4

5Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.Select 2 Samuel 16:5

6Ary nitora-bato an’ i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin’ ny ankavanan’ ny mpanjaka sy teo amin’ ny ankaviany.Select 2 Samuel 16:6

7Ary hoy ny fanozon’ i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!Select 2 Samuel 16:7

8Nataon’ i Jehovah manody anao izao ny ran’ ny tamingan’ i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan’ i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.Select 2 Samuel 16:8

9Ary hoy Abisay, zanak’ i Zeroia, tamin’ ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.Select 2 Samuel 16:9

10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?Select 2 Samuel 16:10

11Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.Select 2 Samuel 16:11

12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.Select 2 Samuel 16:12

13Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin’ ny ilan’ ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.Select 2 Samuel 16:13

14Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.Select 2 Samuel 16:14

15Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.Select 2 Samuel 16:15

16Ary Hosay Arkita, sakaizan’ i Davida, dia tonga tao amin’ i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!Select 2 Samuel 16:16

17Fa hoy Absaloma tamin’ i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ ny sakaizanao?Select 2 Samuel 16:17

18Ary hoy Hosay tamin’ i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’ i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.Select 2 Samuel 16:18

19Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.Select 2 Samuel 16:19

20Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.Select 2 Samuel 16:20

21Dia hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Midìra ao amin’ ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’ izay rehetra momba anao.Select 2 Samuel 16:21

22Ary dia nanorin-day ho an’ i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ ny vaditsindranon-drainy teo imason’ ny Isiraely rehetra.Select 2 Samuel 16:22

23Ary ny hevitr’ i Ahitofela izay nataony tamin’ izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’ i Ahitofela, na tamin’ i Davida, na tamin’ i Absaloma.Select 2 Samuel 16:23

Next: 2 Samuel 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.