2 Samuel 22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,Select 2 Samuel 22:1
2ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,Select 2 Samuel 22:2
3Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao.Select 2 Samuel 22:3
4Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.Select 2 Samuel 22:4
5Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.Select 2 Samuel 22:5
6Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.Select 2 Samuel 22:6
7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.Select 2 Samuel 22:7
8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.Select 2 Samuel 22:8
9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.Select 2 Samuel 22:9
10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.Select 2 Samuel 22:10
11Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy.Select 2 Samuel 22:11
12Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevinaSelect 2 Samuel 22:12
13Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.Select 2 Samuel 22:13
14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.Select 2 Samuel 22:14
15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.Select 2 Samuel 22:15
16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.Select 2 Samuel 22:16
17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy.Select 2 Samuel 22:17
18Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.Select 2 Samuel 22:18
19Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.Select 2 Samuel 22:19
20Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.Select 2 Samuel 22:20
21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.Select 2 Samuel 22:21
22Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;Select 2 Samuel 22:22
23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;Select 2 Samuel 22:23
24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;Select 2 Samuel 22:24
25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.Select 2 Samuel 22:25
26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;Select 2 Samuel 22:26
27Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.Select 2 Samuel 22:27
28Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.Select 2 Samuel 22:28
29Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.Select 2 Samuel 22:29
30Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.Select 2 Samuel 22:30
31Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.Select 2 Samuel 22:31
32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?Select 2 Samuel 22:32
33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy.Select 2 Samuel 22:33
34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.Select 2 Samuel 22:34
35Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.Select 2 Samuel 22:35
36Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.Select 2 Samuel 22:36
37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.Select 2 Samuel 22:37
38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.Select 2 Samuel 22:38
39Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.Select 2 Samuel 22:39
40Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.Select 2 Samuel 22:40
41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.Select 2 Samuel 22:41
42Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.Select 2 Samuel 22:42
43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.Select 2 Samuel 22:43
44Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.Select 2 Samuel 22:44
45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.Select 2 Samuel 22:45
46Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.Select 2 Samuel 22:46
47Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,Select 2 Samuel 22:47
48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,Select 2 Samuel 22:48
49Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe;Select 2 Samuel 22:49
50Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Select 2 Samuel 22:50
51Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.Select 2 Samuel 22:51
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation