Skip to content
Church.wiki
2 Samuel

2 Samuel 5

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.Select 2 Samuel 5:1

2Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.Select 2 Samuel 5:2

3Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.Select 2 Samuel 5:3

4Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.Select 2 Samuel 5:4

5Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.Select 2 Samuel 5:5

6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.Select 2 Samuel 5:6

7Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).Select 2 Samuel 5:7

8Ary hoy Davida tamin’ izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ ny fon’ i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.Select 2 Samuel 5:8

9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.Select 2 Samuel 5:9

10Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.Select 2 Samuel 5:10

11Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’ i Davida ireo.Select 2 Samuel 5:11

12Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.Select 2 Samuel 5:12

13Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’ i Davida.Select 2 Samuel 5:13

14Ary izao no anaran’ ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy SolomonaSelect 2 Samuel 5:14

15sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy JafiaSelect 2 Samuel 5:15

16sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.Select 2 Samuel 5:16

17Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.Select 2 Samuel 5:17

18Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.Select 2 Samuel 5:18

19Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.Select 2 Samuel 5:19

20Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.Select 2 Samuel 5:20

21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.Select 2 Samuel 5:21

22Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.Select 2 Samuel 5:22

23Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.Select 2 Samuel 5:23

24Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.Select 2 Samuel 5:24

25Ary dia nanao araka ny nandidian’ i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’ i Gazera izy.Select 2 Samuel 5:25

Next: 2 Samuel 6Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Samuel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.