2 Timothy 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,Select 2 Timothy 1:1
2mamangy an’ i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.Select 2 Timothy 1:2
3Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;Select 2 Timothy 1:3
4ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;Select 2 Timothy 1:4
5fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.Select 2 Timothy 1:5
6Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny fametrahako ny tanako.Select 2 Timothy 1:6
7Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.Select 2 Timothy 1:7
8Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,Select 2 Timothy 1:8
9Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;Select 2 Timothy 1:9
10fa naharihary ankehitriny tamin’ ny nisehoan’ i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;Select 2 Timothy 1:10
11ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.Select 2 Timothy 1:11
12Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay.Select 2 Timothy 1:12
13Tano amin’ ny finoana ny ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.Select 2 Timothy 1:13
14Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ ny fampaherezan’ ny Fanahy Masìna, Izay mitoetra ao anatintsika.Select 2 Timothy 1:14
15Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ ireny Fygelo sy Hermogena.Select 2 Timothy 1:15
16Homen’ ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’ i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;Select 2 Timothy 1:16
17fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahitaSelect 2 Timothy 1:17
18(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.Select 2 Timothy 1:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation